Andrakoto

January 12, 2010

Mitady ny very

Filed under: Uncategorized — andrakoto @ 7:53 am

Sadaikatra ihany izahay indray mandeha raha nasaina nanao fikarohana tany ampianarana mikasika ny fomba fiarahabana Malagasy satria vitsy ihany no mba fantatray iray kilasy na dia samy Malagasy ray sy reny avy. Tsy ny fiarahabana ihany no tsy ampy fa maro hafa ihany koa toa ny filazana halavirana, lanja sns. Na ny resaka andavanandro aza dia vitsy ireo fehezan-teny tsy misy teny vahiny kely ao anatiny satria efa io no mahazatra sy heverina ho mahalaza tsara izay tiana ho tenenina. Tsy hay toherina ny fanatontoloana nefa , asa, nofinofy ihany ve ny hijanona ho madio ranoray hatrany ny tenintsika ka hivoaka ho mpandresy fa tsy ho resy lava. Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko, izany no teny filamatra hita mazava teo amin’ny Rary Hasina teo Analakely nandritra ny taona maro  ary tsy haritro ny tsy hamaky azy foana tamin’izany nefa adinoko ihany izy izay rehefa miteny  sy eny amin’ny toeran-kafa aho. Maro ny toerana fianarana teny vahiny eto Antananarivo ary na dia ampianarina any an-tsekoly rehetra any aza ny teny Malagasy dia tsapa fa be ireo tsy fahampiana  sy diso . Efa mihalehibe ihany ireo mpanoratra Malagasy, aza, iza no handimby azy raha tsy misy mahay fitsipika isika aty ao aorianan’izy ireo?

Ireto manaraka ireto dia santionan’ny  asanay, vitsy indrindra izy ireo kanefa mety betsaka noho ny fahalalan’ny sasany

Rehefa mifankahita

1-Tanora miarahaba olon-dehibe

-Manao ahoana tompoko

-Mbola tsara !

-Salama va!

-Akory aby e!

-Manakory aby

-Mbarakaly e !

2- Rehefa misy lanonana, fivorian’ny olona maro

-Faly miarahaba antsika rehetra

-Manantitra ny arahaba/ fiarahabana

-Miarahaba antsika rehetra

3- Rehefa samy tanora

-K’aiza e!

-K’aiza daholo

-Dia ahoana e!

4-Rehefa amin’ny andriana

-Kaosy tompoko!

-Tsara va tompoko!

5-Amin’ny fahasoavana

Fahaterahana

-nomen’Andriamanitra ny fara

-arahabaina nahazo mpamaky kitay/ mpatsaka/ mpilanja

Avy nandeha lavitra

Tonga soa

Didim-poitra

Arahaba ririnina

Afa-panadinana

Arahabaina tafita soa

Arahabaina nahazo fahasoavana

Fanambadiana

Arahabaina nahazo tokantrano

Maharena tokantrano ary mahareta hatramin’ny farany

Ho toy ny lamban’akoho ka faty no isarahana

7- Amin’i Zanahary

Koezy ô, Zanahary

Advertisement

4 Comments »

  1. Efa maro ho anay tsy dia mahalala ireo :-)
    Ary aiza ho aiza no tokony miditra ilay “salanitra e”- lanonana ve?

    Comment by Saveoursmile — January 26, 2010 @ 2:25 pm | Reply

  2. Saveoursmile> refa mirevy eny mahamasina looool :p

    Ando> tena miasa amiko ity billet-nao ity, afaka angalako kely ve ataoko ato (http://r1lita.wordpress.com/2009/01/22/how-do-malagasy-people-greet/) :D

    Comment by Tahina — January 29, 2010 @ 10:34 am | Reply

    • Tahina> tsy maninona ka

      Comment by andrakoto — February 1, 2010 @ 7:38 am | Reply

  3. mahaliana, mbola misy mbola tsy henoko mihitsy :)

    Comment by milakory — November 25, 2011 @ 9:57 am | Reply


RSS feed for comments on this post. TrackBack URI

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Connecting to %s

Theme: Rubric. Blog at WordPress.com.

Follow

Get every new post delivered to your Inbox.